<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Ramboatina</author>
<lyrics>[V1]
 Ry Jehovah Tompo soa !
 Vory eto izahay,
 Ka mifaly avokoa,
 Raisonao ny vavakay !
 Andro fitokanan-trano,
 Fifaliam-be izao,
 Ampidino ny tsodrano
 Avy ao an-danitrao.

[V2]
 Ry Jesosy ! mandrosoa
 Fa Anao ny tranonay,
 Hiderana Anao tokoa,
 Ka henoy ny hatakay !
 Nefa tsy ny vatan-trano
 No honenanao izao,
 Fa ny fo no itokano,
 Itoero, hafanao.

[V3]
 Ry Fanahy Mpanazava !
 Anjakao tokoa izahay,
 Dia hazava lalandava,
 Ny fanahin-janakao ;
 Ka fenoy fanahy mino
 Ho tempolinao tokoa,
 Hatrizao dia hamasino
 Ka hitombo sy hanoa.</lyrics>
<title>Ry Jehovah Tomposoa FFPM325</title>
<hymn_number>325</hymn_number>
</song>